Dépêches

Valanjava-boaary Tsimbazaza : Manodidina ny 900.000 isan-taona ny isan’ny mpitsadika ny toerana

28 Septambra, Manodidina ny 900 000 isan-taona ny mpitsidika ny valan-javaboary ao Tsimbazaza. Tsy mitsaha-mitombo isanandro ny isa. Tafiditra ao avokoa na ny tera-tany malagasy avy eto an-drenivohitra sy ny avy amin’ny faritra, na ny vahiny. Ao anatin’ny fanatsarana ny toerana ny tomponandraikitra, amin’izao fotoana mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena izany. Anisan’ny asa atao ihany koa ny fandraisana ny hevitry ny mpizaha tany ahafahana mitondra fanamboarana sy fanatsarana mba hahafahana milahatra amin’ireo toerana iraisam-pirenena.

Laisser un commentaire