Taolagnaro: Fatina trozona hita
02 Aogositra, 16h00, Fatina trozona lehibe iray no hita tao amin’ny sisin-dranomasin’I Libanona, distrikan’I Taolagnaro ny marainan’ny talata 02 aogositra iny. Voalaza fa efa maty 5 hatramin’ny andro ity trozona ity no nentin’ny onjan-dranomasina izao, ireo olona any an-toerana arak any vaovao farany dia mikasa ny hihinana sy hivarotra izany.
