France : Kaominina 500 isa voakasiky ny faharavan’ny morontsiraka
Nanao fanambarana fampitandremana ireo mponina mipetraka akaikin’ny ranomasina ny ministra misahana ny « transition écologique », ao France, ny faran’ny herinandro teo. tanàna manodidina ny 5000 isa amin’izao fotoana no tandindo-doza amin’ny mety hisian’ny fihotsahan’ny morontsiraka. Anisan’ny mahatonga izany ny fiakaran’ny ranomasina, ity farany izany nitombo haingana be amin’izao fotoana. Araka ny fanambaran’ny ministra, dia mitovy amin’ny haben’ny kianja filalaovam-baolina no tsy hita isan-kerinandro voaktr’io fiakaran’ny ranomasina io. Araka izany, hisy ireo toerana tsy azo hanorenana sy hipetrahana intsony.
