Etats-Unis : Renim-pianakaviana niady tamin’ny « puma » hanavotana ny zanany
Zazalahy kely 5 taona nilalao teo an-tokotaniny no nitsorahan’ny « puma » tampoka tao Calabasas, ao atsimon’i Californie ny 26 aogositra teo. Sendra nahare kotaba tampoka ny reniny no nivoaka ny trano ka nahohitra ity biby ity tamin’ny tàna-polo mandram-pitsaokan’ilay biby. Naratra teo amin’ny tratrany sy teo amin’ny lohany izy ary nentina avy hatrany tao amin’ny hopitaly tao Los Angeles. Hita tao anaty kirihitr’ala kosa ny Puma rehefa nikaroka ireo manam-pahefana, ary novoina raha ny fanazavana noho izy mahery setra. Tena mendrika kosa ny renim-piankaviana hoy kapiteny Patrick Foy, mpitondra tenin’ny departemantan’ny jono sy ny biby ao Californie ary efa salama izy mianaka hoy izy.
