Kolontsaina : Fomba iray hatao hampiroboroboana ny fizahantany ny hetsika Zaza Rap Taiza
Dépêche 24 novembre, 13h, Hetsika ara-java-kanto hiantsoana ireo mpizahatany ho avy aty Madagasikara ity hetsika ity. Ny 7 ka hatramin’ny 10 desambra izao no hanatanterahana izany hetsika izany. Hanafana ny sehatra amin’io fotoana io ireto mpihira ny gadona Rap efa fanta-daza vahiny ireto : Youssoupha, Nuttea, Chilla ary i Blacko. Tsy misy tsy mahafantatra izany raha mbola mpankafy Rap. Hitondra fampahafantarana an’ny Madagsikara ho an’ireo mpizaha tany maro ihany koa izao fahatongavan’izy ireo izao. Fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny fizahantany sy ny Kolontsaina Mainty izay mpikarakara ny hetsika no ahafahana mampahafantatra ny fizahantany eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fandefasana mivantana ny seho amin’ny Internet.
