France : Zazalahy 6 taona matin’ny kapoka
Zazalahy kely 6 taona nantsoina hoe William no matin’ny kapoka ara-bakiteny tao Tremblay-en-France ao Seine-Saint-Denis. Tamin’ny 27 martsa 2020 no niseho io tranga io nandritra ny fihiboana. Nahazo entimody an-jotra matetika i William, ary tamin’io fotoana nisehoan’ny tranga io dia nampanaovin’ny rainy kajy izy. Tezitra nefa io rainy io manoloana ny tsy fifantohan’i William ka nanomboka nidaroka azy imbetsaka teo amin’ny tarehiny.
Nanomboka nifanintona io zazalahy io taorian’izany ary tsy nahatsiaro tena. Nentina teny amin’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Nanomboka tamin’ity herinandro ity kosa ny fitsarana io raim-pianavakiana nahavanon-doza io. Tsaraina ao amin’ny fitsarana ao Bobigny izy ary mety higadra mandritra ny 30 taona. Marihana mantsy fa efa voasambotra noho ny herisetra io raim-pianakaviana io tamin’ny taona 2003 sy 2017.
