France : Zazalahy roa nitsoaka tao an-tranony no hita faty tany anaty ala
Zazalahy roa manodidina ny 15 taona no hita faty tao anaty ala iray tao Saint-Germain-en Laye et Poissy, tao Yvelines ny alarobia maraina teo. Raha ny fantatra dia nitsoaka tao an-tranony ireo zazalahy ireo. Niala tao an-tranony ny alatsinainy teo ny iray raha niala ny talata kosa ny iray hafa.
Efa nanomboka ny fotoana tsy nahita ireo zazalahy ireo no nanomboka ny fikarohana ny manam-pahefana sy ny ray aman-dreniny. Zatovo « élagueur » avy tao amin’ny lisea, Agro-Campus kosa no nahita ny razana ny andron’ny alarobia. Tsy fantatra mazavan nefa ny antony nahafaty ireo zazalahy roa ireo.
Tsy nahitana ratra ny vatan’ireto farany ary tsy nahitana fitaovam-padiana manodidina azy ireo. Famonoan-tena niaraka no petrakevitra napetrak’ireo manam-pahefana hatreto. Efa manatontosa ny fizahana ny razana kosa ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana.
