ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Mpitantana « cyber café » nanolana ny mpanjifany, nidoboka eny Tsiafahy

Lehilahy iray, 24 taona no nidoboka am-ponja eny Tsiafahy, noho ny fanolanana zazavavy 14 taona. Mpitantana ireny « cyber café » ireny, tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ity lehilahy ity ary mpanjifa ao aminy ilay zazavavy naolany, araka ny voalaza.

« Ny talata 30 janoary teo no niakatra fampanoavana ity raharaha fanolanana niseho tao Sabotsy Namehana ity. Araka ny fanadihadiana, dia efa ela no nitory fitiavana tamin’ity zazavavy ity lehilahy mitazona cyber café ity ka rehefa tsy nanaiky azy ity farany dia nanaovany ny filan-dratsiny » hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.

« Mirongatra mihitsy ny trangana fanolanana tato ho ato. Mila fampiharana lalàna entitra ary ampiharina ny tenin’ny filoham-pirenena mahakasika ny sazy omena ireo mpanolana mba hamaizana sy tsy hiverimberenan’ny tranga toy izao intsony » hoy i Ando, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Ilaina ny fanabeazana sy fanentanana ny tanora mba tsy ho simba noho ny haitraitra sy ny fivoarana isan-karazany. Ny trangana fanolanana dia anisan’ny trangam-piaraha-monina miseho matetika, indrindra tato ho ato, mila fampiharana ny lalàna ary famaizana amin’ny sazy faran’ny entitra izany mba tsy hiverimberenan’ny tranga.

Laisser un commentaire