Etats-Unis : Niakatra fitsarana ilay raharaha nahavoatifitra « tsy nahy » mpikirakira sary nandritra ny fanodinana horonantsary ny taona 2021
Omaly no fotoana nomen’ny fitsarana hanatanterahana ny fitsarana ilay lehilahy mpilalao sarimihetsika, voarohirohy ho nitifitra « tsy nahy » ny tale mpikirakira ny sary nandritra ny fanodinana ny horonan-tsary « Rust » tany Etats-unis, ny volana oktobra 2021. Tsy mbola vita anefa ny fitsarana ity raharaha ity, ka omaly alakamisy indray no nanatanterahana izany. Tsy tonga nanatrika izany anefa ny tenany saingy ny mpiaro azy no nandefa taratasy nilaza fa tsy tomponandraikitra tamin’ny tifitra mahafaty ilay tale ny tenany. Araka ny nambarany hatrany, horonantsary ankitifitra no nolalaovina ary tsy nanampo fa bala mahafaty no tao anatiny saingy izao niteraka loza izao. Sazy 18 volana an-tranomaizina no mety hiandry azy taorian’izao tranga izao.
