Norvège: Hikatona ho an’ireo mpizahatany rosianina ny sisin-tany
Hanakatona ny sisin-taniny amin’ireo mpizahatany rosianina i Norvège, ary tsy hanana fahafahana hidirana ao an-toerana intsony ireto farany, raha ny fanambarana nivoaka tao amin’ity firenena ity. Amin’ny maha mpizara sisin-tany ny firenena roa tonta, izay eo amin’ny 198km eo, dia mety hisy akony ao amin’ity firenena ity ny ady eo amin’ny Russie sy Ukraine. Ka nanamafy izany fepetra izany ny fanjakana tao an-toerana mba hitandrovana sy hametrahana fifanohanana amin’ireo firenena hafa manoloana ny ady. Marihina moa, fa i Norvège dia mpikambana ao anatin’ny Otan, ary efa nanomboka ny taona 2022 no efa nanatsahatra ny fanomezana visa ho an’ireo mpizahatany rosianina.