Culture: Natao lavanty ilay sabatra valinkasasara nomen’i Napoléon Bonaparte ny miaramila iray
Nandritra ny fotoana nandalovan’ny lelan’afo olimpika tao Bordeaux, dia nisy ihany koa ny lavanty an’ireo fitaovana miavaka sy tokana tao amin’ity faritra ity ihany. Anisan’ny fitaovana iray tsy manam-paharoa ary tokany ity sabatra natao lavanty ity satria, sabatra natolotr’i Napoléon Bonaparte ho an’ny miaramila iray izy io, tamin’ny taona 1796-1797 tany ho any. Tany Milan no nanamboarana ity fitaovam-piadiana ity. Nandritra ny lavanty, mitentina manodidina ny 12.000 hatramin’ny 15.000 euros no vidin’izany.