PolitiqueTatitra

France : Niezaka nanohy ny « tour de France » i Emmanuel Macron taorian’ny tehamaina nahazo azy

Nanameloka ny herisetra natao tamin’ny filoham-pirenena Frantsay, Emmanuel Macron ny tompon’andraiki-politika maro. Ny Omaly talata 8 Jona no niseho ny tantara, teo amin’ny andro fahadimy nanaovan’ny filoha ny « tour de France » raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tao Tain-l’Hermitage izay niresahany indrindra ny foto-pisainana « optimisme » izay tokony ilaina amin’izao krizy izao. Tampotampoka teo anefa nahazo felaka tamina tovolahy iray izy tokony ho tamin’ny 12 ora tany an-toerana teo no nisehoan’izany. Raha iny nanantona olona teo amina vondron’olona teo ambadikin’ny sakana iny ity filoha ity no notazomin’ilay tovolahy ny sandriny ary nofelahany avy eo ka tafiodina mihitsy ity farany nony nahazo tahamaina. Nosamborin’ny mpiambina avy hatrany ity tovolahy 28 taona mitondra ny anarana hoe « Damien T » niaraka tamin’ny namany, « Arthur C » ary nanaovana famotorana noho izao herisetra natao tamina tompon’andraiki-panjakana izao. Nahazo sazy 3 taona an-tranomaizina sazy mihatra miampy lamandy 45 000 Euros izy roa lahy ireto. Nanambara kosa I Emmanuel Macron fa mila fitoniana sy fanajana avy amin’ny rehetra ny fiainana ara-demokratika. Tsy natao hampiato ny tanjona amin’ny fitsidihana an’I France anefa ny tranga fa mitohy hatrany ny “tour de France”.

Laisser un commentaire