ActualitésTatitra

Australie : Nisy biby hafahafa hita teo amin’ny morontsiraka

Lehilahy iray, Alex Tan, sendra nandehandeha teny amin’ny morontsirak’i Maroochydore, ao Queensland no nifanojo tamin’ny fatim-biby hafahafa. Raha ny famaritana nomeny dia toy ny « extraterrestre » io biby hitany io, nalainy horonantsary izany ary naparitany tamin’ny tamba-jotra Instagram.Tsy voafaritra mazava ny karazan’io biby io, kelikely ny habeny, misy valanorano goavambe feno nify maranitra izy, nisy rambo lava ary nisy ratsan-tanana toy ny an’ny olom-belona nisy ho naranitra. Raha ny hevitr’i Alex Tan dia nentin’ny tondra-drano namely ny morontsiraka atsinanan’i Australie sy Queensland ny faran’ny febroary sy ny fiandohan’ny volana martsa teo io biby io.Naneho ny heviny avy momba io biby io ny mpikirakira tamba-jotra sosialy, nisy ireo nilaza fa « opossum » io biby io, nisy kosa ireo nanasokajy izany ho zanaka « kangourou » ary ny nisasany nilaza fa « wallaby » izany.

Laisser un commentaire