Ambohimangakely: Mila fandraisana fepetra ireo fako mivangongo ao amin’ny fokontany Ikianja
Mivangongo izay tsy izy ny fako ao amin’ny fokontany Ikianja, kaominina Ambohimangakely. Mitaraina ireo mponina manoloana izany, ary mitaky ny fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra.
« Raha ny fitobian’ny fako eto amin’ny tanàna dia tena azo lazaina fa lavitry ny fandrosoana ny tanàna eto Ambohimangakely. Sady manome endrika ratsy ny tanàna, no miteraka fanelingelenana ho an’ny daholo be ny fisian’io ka tokony handraisana fepetra faran’izay haingana » hoy i Nirina, mponina ao Ambohimangakely.
« Ny fako dia olana efa niainan’ny kaominina hatramin’ny ela, tsy eto ihany anefa no misedra izany fa ny faritra hafa ihany koa dia ahitana izany. Mila mametraka rafitra manokana misahana ny fako ny kaominina na ny tomponandraikitra mba hamahana io olan’ny fako io ka hisorohana ny fiverenan’ny olana foana ihany koa » hoy i Fifaliana, mpirotsaka an-tsitrapo.
Taratry ny fampandrosoana ny fahadiovan’ny tanàna. Samy tomponandraikitra anefa ny tsirairay ao anatin’izany. Zava-dehibe ny fametrahana rafitra mpitantana ny fako, ao anatin’izany anefa dia ilaina ihany koa ny manentana sy mitaiza ny mponina hitandro ny fahadiovana.
