Soudan : Miakatra ny vidim-piainana
Firenena maro eto Afrique no misedra olona mitovy amin’i Madagasikara, dia ny fiakaran’ny vidim-piainana izany. Nanomboka tamin’ny fanonganam-panjakana tao an-toerana ny 25 teo dia avo folo heny ny vidin’ny entana. Raha 5 livres soudanaises (45 Ar) ny vidin’ny « miche » (mofo) iray ny volana oktobra teo dia tafiakatra 50 livres (452 Ar) izany ny fiadohan’ny volana aprily teo.Anisan’ny antony mitarika io fiakarana midangana io ny sazy nomen’ny sehatra iraisam-pirenena an’i Soudan noho ny « putsch » na ny fanonganam-panjakana. Vola 4 500 tapitrisa euros tokony hiasa ho an’ny fanampiana iraisam-pirenen’i Soudan mantsy no nahitsoka antony io. Ankoatra ny ara-tsakafo dia nahitam-piakarana tao an-toerana ihany koa ny sehatry ny famatsiana angovo, solika ary fitateram-bahoaka.
