ActualitésTsidika

Samia mitandrina fa manjaka ny fisolokiana

Miseho amin’ny endriny maro ny fisolokiana ary na amin’ny fotoana ahoana aza na toerana aiza dia mety ahitana azy avokoa. “Tsy misy azo itokisana intsony ny olona fa samia mitandrina isika rehetra” hoy ny mpamily fiarakodia iray. Manoloana izany indrindra dia nampitandrina ny rehetra ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena fa efa tafiditra any anaty tambajotran-tserasera sahala an’ny “facebook” ihany koa izy. Ity tambajotran-tserasera ity rahateo dia tena mahazo vahana mihitsy eto Madagasikara ka nanjary izay tsy mampiasa azy dia lazaina fa olona tsy maharaka hoy Junot izay mpikabary no mpandala ny fomban-drazana. « Mampitandrina antsika rehetra fa misy olona mitondra ny « compte » sy « page » atao hoe « couture electrique » ato @ Facebook izay misoloky momba ny fivarotana kilalaon’ankizy” hoy ny mpitandro filaminana ny talata 13 jolay lasa teo. Efa maro ny fitarainana voaray tamin’io daty io tao amin’ny Sampan’asa misahana ny ady amin’ny heloka an’habaka teo anivon’ny Zandarimaria.Tsy tokony hisalasala isika izay iharan’ny fisolokiana araka izany ny amin’ny fampandrenesana haingana ny mpitandro filaminana mba ahafahan’izy ireo miasa haingana hamongatra ny ratsy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire