ActualitésTsidika

Fampianarana : Hisitraka fampiofanana ireo mpampianatra eny amin’ny lycée

Mpampianatra eny amin’ny lycée avy amin’ny faritra miisa 13 no hisitraka fiofanana amin’ny alalan’ny tetik’asa « Perform ». Toerana saro-dalana sy any Ambanivohitra ao amin’ny faritra Diana, Sava, Itasy, Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Amorin’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Anosy, Atsimo Andrefana ary Ihorombe no hahazo tombony amin’izany.

« Hampita ny fahaizamanao amin’ny mpisitraka ny tetik’asa ny mpampianatra ao amin’ny « École Normale Supérieure » (ENS) Analamanga, Anosy ary Fianarantsoa. Amin’ny alalan’ny fampitain-davitra no hanatontosana ny fisoratana anarana ho an’izay voakasiky ny tetikasa » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. « Tena tsara sy mety aminay mihitsy ny fampiofanana toy izany. Tsara ny mifampizara traikefa. Hiaraha-misalahy tokoa ny fanabeazana ny zanaka Malagasy » hoy i Lanto, mpampianatra eny amin’ny lycée.

Haharitra iray volana ny fiofanana. Efa vita ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny tetikasa « Perform ».

Laisser un commentaire