Belgique: Nahita tsimok’aretina vaovao ao amin’ny tsinay ny mpikaroka
Nahita “Bactérie intestinale” izay mbola tsy voafaritra tanteraka ny ekipan’ny mpikaroka ao amin’ny Université Catholique Louvain any Belgique izay tarihan’i Patrice Cani, mpikaroka FNRS ao amin’ny Louvain Drug Research Institute. Nilaza ireo siantifika fa misy fiatraikany tsara amin’ny karazany roa amin’ny diabeta, ny hatavezana sy ny fivontosana, ity bakteria vaovao ity. Nomena anarana hoe “Dysosmobacter welbionis” izy izay tena mantsina misy fofona ratsy tokoa. Rantsana iray ao amin’ny faritr’i Wallonie no manohana ara-bola izao fikarohana izao. Miavaka tokoa izao fikarohana izao any Belgique satria tsy dia fahita loatra ny fahombiazana amin’ny fikarohana bakteria vaovao ao amin’ny ekipa mpikaroka iray ary izy ireo ihany avy eo no nanome ny anarany sy hilaza ny asan’ilay bakteria ao anatin’ny vatan’olombelona.
