Andapa : Manjaka ny ambalavelona
Hita manerana ny nosy ny ambalavelona, ary samy manana ny fisehoany isaky ny faritra ary azo ambara ho famosaviana izy arakaraka ny ody ampiasain’ny olona mamosavy. Tsy aretina akory ny ambalavelona fa tranga eo amin’ny fiarahamonina malagasy antsoina hoe « pathologie culturelle » hoy i Ratsifandrihamanana Lanto, « psychiatre » mitantana ny toeram-pitsaboana ny marary saina. Mikiakiaka, mitomany, malemy, miolakolana, manao krizy, mirediredy, mahita zavatra, maheno zavatra ary miriotra toy ny matahotra, mifanintona na mihetsika androbe no fisehoany amin’ny olona iray. Izany indrindra no niseho tany Andapa ary olona efa am-polony no efa tratran’ny ambalavelona nifanesy tao anatin’ny iray volana izao. Androany 11 may maraina izao , tovolahy iray tokony ho 18 taona antsoina hoe Violin no nihiaka ary nikarapoaka teny an-dàlana, tao amin’ny fokontany Ambodivaina. Mpianatra telo vavy no niantombohan’ity ambalavelona ity, ary nitohy tamin’ny ankizivavy miisa efatra avy eo, niampy lehilahy telo, nahitana raim-pianakaviana. Tao anatin’ny iray volana avokoa ireo tranga ireo. Anaran’olona iray no averimberin’ireo marary tratran’ity ambalavelona ity, raha ny filazan’ny fokonolona any an-toerana. Efa nandeha nijery ifotony ny zava-misy ny avy ao amin’ny kaominina sy ny zandarimaria nanao ny fanadihadihana. Matahotra ny hitonona ny mpanao ody anefa ny fokonolona noho ny fatahorana ny heriny.
Nicole Rafalimananjara
