ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Mifaninana anatin’ny tsy ara-dalàna ireo zotra

Miteraka ady hevitra eo amin’ny mponina sy ny mpampiasa ny zotra H, mampitohy an’ny kaominina Sabotsy Namehana hatrany ny mahakasika ny fomba fiasan’ity zotra ity. Maro ireo tsy fanarahan-dalàna miseho ary hatreto tsy mbola nisy ny fepetra noraisin’ny tomponandraikitra, araka ny voalaza.

« Maro ny tsy fanarahan-dalàna ataon’io zotra io. Misy ny miodina an-dalana, tsy manaja ny toeram-piantsonana, manivana mpandeha, mampiakatra saran-dalana. Efa be ny fiatarainana nalefa tamin’ny tomponandraikitra fa tsy mbola nisy ny fiovana hatramin’izao » hoy i Holy, mpandeha.

« Mijaly ny madinika manoloana ny fampijaliana sy ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ireo zotra eto. Anisan’ny manavotra ny mpody hariva ny fisian’ireo zotra hafa mitondra mody » hoy i Njato, mpianatra.

Araka ny fitarainan’ny mpandeha, tafakatra hatramin’ny 3000ariary ny saran-dalana ataon’ireo zotra rehefa amin’ny hariva. Miangavy amin’ny tomponandraikitra hijery ny zava-misy ary hitondra vahaolana ny mponina.

Laisser un commentaire