ActualitésTsidika

Anjeva : Nisy ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny tanàna sy ny Banque Centrale

Nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny governoran’ny BCM (Banque Centrale de Madagascar) sy ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva gara ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny fanatanterahana ny tetika’asa mifantoka amin’ny olan’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fahazoana rano fisotro madio, ny fambolen-kazo ary ny fananganana ny biraom-pokotany Faliary sy ireo hetsika maro samihafa ao anatin’ny kaominina no nifotorana tamin’izany.

« Manantena ary miandry ny tetikasa mba ho tanteraka soa aman-tsara, indrindra hisy fiantraikany aty amin’ny vahoaka tokoa » hoy i Mamisoa, mponina ao Anjeva.

« Ny tetik’asa mifototra amin’ny fampandrosoana ifotony dia ireo tetikasa mifandray amin’ny asa fiveloman’ny mponina sy ny famaliana ireo filàny amin’ny andavan’andro. Ao anatin’izany, ohatra, ny fijerena ny lafin’ny fahandriam-pahalemana, ny fivelomany, ny vola miditra, ny asa atao sy ny sisa fa  indrindra ny fisitrahana rano fisotro madio, ny fidiovana sy fahadiovana, izay rehetra mifamatotra amin’ny maha olombelona izany. Ireo no mila vahana raha mitady fampandrosoana » hoy i Michel, mpahay fiaraha-monina.

Araka izany, ny famaliana ny filàn’ny mponina sy ny famahana ireo olana eny ifotony no anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny fandrosoana. Ny famatsiam-bola sy ny fiaraha-miasa ihany koa anisan’ny manampy amin’ny fanatanterahana tetikasa, taratra izany izao fanaovan-tsonia ho an’ny fampandrosoana ny kaominina Anjeva izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire