Russie : Fiaramanidin’ny tafika Rosianina nitondra voafonja Okrainianina miisa 65 nianjera
Fiaramanidin’ny tafika Rosianina Il-76 no nianjera, omaly tao amin’ny faritanin’i Belgorod, ao amin’ny sisin-tanin’i Ukraine. Ity fiaramanidina ity izay nitondra ireo miaramila miisa 65, voasambotra, avy amin’ny tafika Okrainiana, nentina tany amin’ny faritr’i Belgorod ho takalon’izy ireo amin’ny Rosia. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza, araka ny voalaza.
