Mifandrangitra ny mpitondra sy ny mpanohitra.
Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ireo vondron’ny mpanohitra ny fitondrana eto Madagasikara, indrindra ao anatin’ny fandaharana Miara-manonja. Tsy fantatra intsony anefa na zary fandrangitana ny fitondrana sisa no ataon’izy ireo na tena miady ho an’ny tanindrazana tokoa mba hisian’ny mangarahara. Nandefa fangatahana ny hampiasa ny kianjan’Ambohijatovo ny Sabotsy 27 Martsa teo teny amin’ny prefektioran’Antananarivo indray mantsy izy ireo ny zoma alohan’izay. Tsy nanaiky anefa ny tetsy an-kilany noho ny tsy fahafenon’ny 48 ora mialoha. Tsy nahenoana valiny ny tetsy an-daniny. Tsy tontosa iny hetsika iny araka izany sady tsy tonga teny an-toerana indray ireo mpitarika. Filam-baniny eo amin’ny samy izy ve izany ? Nilaza indray koa ireo solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo tamin’ny TIM fa ho eny Soamandrakizay indray hanao ny tatitra amin’ny Sabotsy 6 Martsa ho avy izao. Mifandrangitra ny roa tonta satria tsy manaiky ny hetsika ny fitondrana. Mampandroso antsika ve izany ? Mbola demôkrasia foana ve no tiana haseho ? Toa zary lasa manakorotana ny saim-bahoaka indray anefa ny tantara satria efa ho lava ny fifandirana ara-politika misy amin’izao.
Nicole Rafalimananjara
