Dépêches

Fanomezana ara-pitaoavana ho an’ny fahasalamana avy amin’ny UNICEF

09 Jona, 11h15. « Extracteur d’oxygène » miisa 200 no natolotry ny UNICEF ho an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny 8 Jona teo teny amin’ny « hangar UNICEF » Andraharo. Ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis no nandray izan fanampiana ara-pitaovana izany manoloana izao ady amin’ny valan’aretina izao. Ary naneho fisaorana ny UNICEF tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana ny tenany ary nampanantena fa ho tsinjaraina manerana ny Nosy ireo fitaovana ireo, hanoloana ireo izay nahitana fahasimbana teo am-pampiasana azy ary koa hanampiana isa ireo « extracteur d’oxygène » marobe am-perin’asa izay novidian’ny Fitondram-panjakana malagasy.

Laisser un commentaire