SocialTatitra

Allemagne : Mpitsabo mpanampy nanindrona ranon-tsira raha tokony ho vaksiny hisorohana ny coronavirus no ampiasainy

Notazomin’ny polisy hanaovana fanadihadihana ny mpitsabo mpanampy vavy iray tany Allemagne ny alahady 25 aprily lasa teo. Voalaza fa nanindrona ranon-tsira tamina marary miisa raha tokony vaksiny hiarovana amin’ny covid-19 no ampiasainy ny alarobia lasa teo. Nanary tavoara iray tamin’ireto farany mantsy izy ary noho ny tahony hanolo izany no nanaovany izao. Miantso ireo olona 200 nanao vaksiny ny alarobia teo araka izany ny tompon’andraikitra mba ho tonga ao amin’ny ivon-toerana fanaovam-baksinin’ny vokovoko mena any Frise, avaratr’i Allemagne, mba hahitana ireo olona enina tsy nahavita ny vaksininy. Nilaza ny avy eo anivon’ny polisy Wilhelmshaven/Friesland fa hanokatra ny fanadihadihana mikasika ity tranga ity ary notsipihany tamin’izany fa tsy misy vokany eo amin’ny fahasalamana akory ilay tsindrona tamin’ny ranon-tsira. Io vaksiny vokarin’ny Pfizer-BioNTech io aza matetika ampiharahina amin’ny ranon-tsira alohan’ny hitondrana azy. Tsy nahy no nahavery ity vaksiny ity hoy ilay mpitsabo mpanampy, ary taorian’io alarobia io no nanambarany tamin’ny namany fa nosoloiny ranon-tsira ilay vaksiny very ka ity namany ity no nampilaza haingana ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire