Nouvelle-Zélande : Miverina misokatra ny sisintany
Rehefa nikatona nandritra ny 2 taona ny sisintanin’i Nouvelle-Zélande noho ny valan’aretina Covid-19 dia niverina nisokatra androany 1 aogositra. Efa misokatra ho an’ireo mpizahan-tany sy mpianatra avy amin’ny firenena hafa ny faritany ary efa afaka mifamezivezy ihany koa ny sambo « croisière ».
Vaovao tsara ho an’ny sehatry ny fizahantany sy ny fanabeazana ao an-toerana izany izay manana anjara asa goavana amin’ny fampikarana ny harin-karena faoben’ny firenena.
