ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Mitohy ny asa fikojakojana ny lalana

Mitohy ny asa fanamboarana sy fikojana ny lalana ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fanamboarana sy fandrakofana tara ny lalana mampitohy ny sampanan’i Lazaina sy Lazaina Amboniloha tanteraka ireo tomponandraikitra ankehitriny ary hitohy tsikelikely izay, araka ny voalaza.

“Mandeha ny asa araka izay efa notapahina tamin’ny fihaonana tamin’ireo mponina manodidina s’y fiara mpitatitra amin’ny fiaraha manatanteraka ity asa ity. Vao vantany ity ampahandalana ity dia hiroso avy hatrany ihany koa amin’ny lalan’ny hôpital Anosy Avaratra hatrany Ambohitrinimanga” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Hisaorana ny tomponandraikitra nitondra fanamboarana ny lalana ety an-toerana fa tena nampijaly izy io teo aloha. Raha tsy nisy ihany koa ny fanamboarana dia vao maika hanano sarotra ny fampiasana azy amin’ny fotoanan’ny fahavaratra” hoy i Ndranto, mpamily taxibe.

Anisan’ny manafaingana izao asa fanamboaran-dalana ao an-toerana izao ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientan’ny daholo be. Mbola hitohy amin’ny faritra hafa ao an-toerana moa izany asa fanamboaran-dalana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire