ActualitésTsidika

Jiramobile : Handalo ao Ankadikely Ilafy

Handalo ao Ankadikely Ilafy ny Jiramobile amin’ny 18 sy 19 may 2022. Hihaino ireo fitarainana sy hanome torohevitra no ho ataon’izy ireo mandritra izany.

« Amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 04 ora hariva no fotoana handaloban’ny Jiramobile eto. Mamaly ny mponina araka izay resahan’ny mponina izy ireo mandritra izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Betsaka ny tolotra azo atao mandritra io fotoana io. Handray ny fangatahana fampidirana jiro na rano izahay. Hamaly ireo filan-kevitra samihafa ihany koa. Hisy ihany koa ny fandraisana faktiora amin’ny mobile money na ny TPE ary taratasim-bola izahay mandritra izany » hoy ny avy ao amin’ny Jirama. Marihana fa tsy afaka mandray ary tsy mitahiry lelavola ny Jiramobile.

Fotoana tokoa io hanararaotana hanaovana fitarainana ho entina mampandroso hatrany ny asan’izy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire