PolitiqueTsidika

Afaka handray anjara amin’ny fifidianana amin’izay ireo tera-tany Malagasy ao France manomboka ny 2023

Tsy nanadino ireo tera-tany Malagasy monina sy miasa ary mianatra ao France ny Filohan’ny Repoblika fa nanokana fotoana hitafana amin’izy ireo nandritra ny fivahinianany sy ireo delegasionina tarihiny. Ny faran’ny herinadro lasa teo teo no tontosa izany fihaonana izay, fihaonana izay natao tao amin’ny Masoivohon’i Madagasikara ao Frantsa.

Anisan’ireo nampihavaka ity fihaonana ity ny fampirantiana ny taozavatra sy vokatra mampiavaka an’i Madagasikara ary maro ireo Malagasy monina ao Frantsa no tonga namaly ny antso, ary nisaotra ireto mpiray tanindrazana tonga naneho firaisankiana ny Filoham-pirenena. Nandritra ny fitafany mivantana niaraka tamin’izy ireo ihany koa no nampahafantarany ireo tetik’asa goavana sy vina ary paikady ho entina hampandrosoana an’i Madagasikara. Anisan’ireo vina tsy maintsy ho tanterahina raha ny nambarany ny « firosoana amin’ny fandaminana mba ahafahan’ireo Malagasy monina eto Frantsa handray anjara amin’ny fifidianana amin’ny 2023 ».

Efa misy ny lamina sy paik’ady mba hampirindra sy hampizotra haingana izany tetikasa izany, ary tsy maintsy misoratra anarana any amin’ny masoivoho avokoa ireo Malagasy ahafany mahazo ilay atao hoe « carte consulaire » mba ahafahany handray anjara amin’izany fifidianana izany. Nisy arak’izany ny fizarana isam-paritra natao ho an’ireo Malagasy monina ao Frantsa, koa miisa telo taha’izao izany Raha ny fandaminana : Faritra avaratra, faritra atsimo ary afovoany.

« Faly izahay fa namaly ny hetahetam-ponay Malagasy aty an-tany lavitra ny Filoha, efa tena ela tokoa izahay no nangataka ny fitondrana mba hanananay zo ny hifidy » hoy i Viviane, tera-tany Malagasy monina sy miasa ao Frantsa.

Maro ireo Malagasy naneho ny heviny mikasika ity fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena ity milaza fa paikady vaovao entina anomanana ny ho mety hirotsahany ho fidiana amin’ny 2023 io fahafahan’ny Malagasy ao Frantsa mifidy io.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire