Qatar : Maro ny fepetra napetraka amin’ny fiatrehana ny Mondial 2022
Ankoatran’ny fepetra ho an’ny mpanao gazety dia naroson’ireo tompon’andraikitra ao Qatar ihany koa ny fepetra tsy maintsy arahin’ireo mpanatrika ny Mondial 2022. Tsy voatery manao saron-doha ny vehivavy vahiny ho avy hanatrika ny fiadiana ho tompondaka eran-tanin’ny baolina kitra saingy tsy maintsy manao akanjo maontina kosa eny amin’ny toerana ho an’ny daholobe. Tsy sarona avokoa ny soroko sy ny lohalika.
Tsy azo atao ihany koa ny manao firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana. Nilaza ny ambasadin’i Amérique fa tokony hitondra fanamarinam-panambadiana ireo vehivavy bevohoka ho avy ao an-toerana sao mila fitsaboana tampoka. Tsy ho ferana kosa ny fiarahan’ny LGBT amin’io fotoana io saingy tsy mahazo maneho fihetsika mamoafady eny amin’ny toerana ho an’ny daholobe izy ireo.
Ankoatra izany dia voarara ny zava-mahadomelina toy ny rongony. Mahazo misotro alikaoka kosa ireo vahiny tsy silamo maherin’ny 21 taona.
