ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Manomboka amin’ny fampiasana ny angovo azo avaozina ny orinasa Somacou

Notokanana ny zoma faran’ny herinandro teo ny « centrale solaire » izay hanampy amin’ny famatsiana herinaratra hanosika ireo masinina indostrialy fanenona vaovao ao amin’ny orinasa Somacou,  Ankadikely Ilafy.

« Izao dia fanombohan’ny firosoan’ny orinasa amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ho fampanarahana ny fenitra izay manaja bebe kokoa ny tontolo iainana sy fanenana ny fandaniana ara-bola amin’ny lafin’ny herinaratra eto amin’ny orinasa » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

 « Anisan’ny ezaka lehibe ho an’ny orinasa ny fidirana amin’ny fampiasana ny izao fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro izao. Ny orinasa moa dia mandray anjara ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ka zava-dehibe tokoa izany » hoy ny avy amin’ny orinasa.

Tonga nitokana izany tao an-toerana moa ny minisitra misahana ny angovo sy ny akoran’afo sy ireo solotenam-panjakana isan-tsokajiny.

Laisser un commentaire