Hong Kong : Olona 13 vaovao voan’ny covid-19.
Namarana ny fihibohana ny tanàna iray ao Hong Kong. Nahitana tranga 13 amin’ny covid-19 tamin’ireo mponina 7.000 nozahana nefa androany, ka niteraka adihevitra ity fanapahakevitra ity. Ny faran’ny herin’andro lasa teo, nalefa ny polisy mba hanidy tanàna iray mahantra sy be olona, izay misy tafo manodidina ny 150 izay nisehoan’ny valanaretina. Nitety trano ny tompon’andraikitra mba hanerena ireo mponina hanao fitiliana. Amin’ireo fitiliana 7.000 natao, 0,17% ihany no voamarina fa voan’ny covid-19. Nampiaka-peo teo amin’ireo mpitarika politika sy toe-karena mba hanamelohana ny fomba fampiharana an’io fepetra io. Nohamarinin’ny manampahefana ny refy misy azy ary tsy nolaviny ny fanapaha-kevitra momba ny fihibohana vaovao.
