CultureTsidika

Kung Fu Wisa : Iza tokoa moa i Grand Maître Pierabe ?

I Rakotoarijaona Pierre Mizael (Pierabe) no nampiditra ny Kung Fu Wisa teto Madagasikara ny taona 1980. Tao Behoririka no nisy ny foibe nampianarany tamin’izany. Tsy vitsy tokoa no liana tamin’ity sehatra ity, satria tao anatin’ny fotoana fohy dia efa an’arivony ireo mpianatra.

Niofana mikasika ity taranja ity tany amin’ny monastère tany Chine izy. Isan’ny nampiavaka azy ihany koa ny fananany hery miafina tsy takatry ny saina, izay nasehony tamin’ny asany, ary tena nampihaiky ny mpianany mihitsy. Nahavita nanasitrana mihitsy izy, namantatra ny hoavy sy ny maro hafa. « Niroborobo tokoa ny haiady Kung fu tamin’izany, izay mbola tsy nahazo fahalalahana teto aminstika anefa. Teo ihany koa ny olan’ny Kung Fu sy ny Tanora Tonga Saina (TTS) izay nahatonga ny kung fu nandrava ity fikambanam-panjakana ity. Ity farany izay lasa nanao asan-jiolahy mpaka an-keriny, ary ny kung fu no nitsangana niaro ny vahoaka.

Vaky ny ady ny 31 jolay hifoha 1 Aogositra 1985. « Efa hitan’i Pierabe io zavatra hiseho io » hoy ny zanany, Rakotoarijaona Fenitra Arthi. Nanafika ny tranony tokoa ny tafika, saingy tsy hita hatramin’izao ny misy an’ity mpitarika ny Kung fu ity. Efa nisy ny horonantsary mirakitra ny tantara tamin’izany nataon’ny zanany sy ny ekipan’ny Wisa. Mbola mamelo-maso ity taranja iray ity ireo taranany hatramin’izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire