ActualitésTatitra

Maurice : Misy fiantraikany amin’ny fizahantany sy ny fanafarana entana ny loza voajanahary tao Turquie

Miteraka olana ara-toekarena sy ara-barotra ho an’ny nosy Maurice ny loza voajanahary nihatra tamin’i Turquie. Marihana fa io firenena io dia mpanondrana vokatra maro ho an’ny nosy toy ny «céréales ; épices ; déchets de fils ; denim coloré ; détergents ». Tsiahivina ihany koa fa nanomboka ny 1 jona 2013 dia nalalaka ny fifanarahana ara-barotra teo amin’ny roa-tonta taorian’ny fanaovan-tsonia.

Manoloana ny trangan’horohorontany tao Turquie nefa dia rava avokoa ny ankahamaroan’ireo ozinina sy ireo seranan-tsambo lehibe. Nanimba ny sehatry ny fanondranana tao amin’ny firenena izany ka misy fiantraikany ho an’ireo firenena mpanafatra entana ihany koa. Anisany nanajanona ny fanondranany izao ny « hypermarché Lolo » izay mpanondrana isany goavana ao Turquie. Tsy nisy simba ny ozinina sy ny toeram-pitobiana entana, saingy noho ny ankamarohan’ny mpiasa lavo nandritra ny horohorontany no anton’izany hoy i Yusuf Sambon.

Laisser un commentaire