Japon : Misy tranga covid-19 ao amin’ny toerana handraisana ny Lalao Olimpika
Andro vitsivitsy tsy hanombohan’ny lanonana fanokafana ny « Jeux Olympiques » any Tokyo, Nahitana tranga coronavirus ao amin’ny village olympique. Hotontosaina ny 23 jolay izao anefa ity lalao ity ary taorian’ny fampiofanana natao tany dia nahitana tranga vitsivitsy tao an-toerana. Ny alahady 18 jolay maraina no nanambaran’ny Komity mpikarakara ny Tokyo-2020 fa any an-toerana ary ao anaty taranja iray ireo marary no avy any amin’ny firenena iray ihany koa. Mpilalalo ao amin’ny ekipan’ny Afrika Atsimo anakiroa izany ary mpikambana iray ao amin’ny mpitantsoroka avy any Afrika Atsimo ny iray hafa ka nafindra teny amin’ny village olympique izy ireo.
