Japon : Teratany Amerikanina voaheloka am-ponja noho ny fanampiana an’i Carlos Ghosn nandositra
Mpikambana tao amin’ny tafika amerikanina teo aloha sy ny zanany lahy no nohelohin’ny tribonaly ao Tokyo ny Alatsinainy teo noho ny fanampiany ny lehiben’ny Renault sy Nissan teo aloha Carlos Ghosn, nandositra tany Japon ny taona 2019. Raha tsiahivina dia voapanga tamin’ny fanodinkodinam-bola ny tenany. Mandà ny fiampangana natao azy izy ary nitsaoka nakany Liban rehefa tsy nanana fifanarahana fampodiana tamin’i Japon.Tsy mbola nanohitra ny fiampangana natao azy ireo izy mianaka ireto hatrami’ny fanombohan’ny ady teny amin’ny tribonaly ny 14 jona. Izy ireo izay voasambotra ny mey 2020 tany Etazonia ary nentina niverina tao Japon ny volana martsa teo. Voasazy 24 sy 20 volana an-tranomaizina i Michael Taylor, 60 taona, sy ny zanany lahy Peter Taylor, 28 taona, izay niaiky heloka ny volana lasa teo tamin’ny fiampangana azy. Nahazo 862 500 dolara avy tamin’i Ghosn izy mianaka ireo raha ny nambaran’ny mpanao fanadihadiana.
