Afrique : Hanangana ozinina ao Sénégal sy Rwanda ny BioNTech
Nanambara ny orinasa allemand BioNTech ny talata teo fa hatomboka any amin’ny antsasan’ny taona 2022 any ho any ny fanamboarana trano famokaram-baksiny « ARN Messager » ao Sénégal sy Rwanda. Efa vita sonia tao Berlin ny volana aogositra teo ny fifanarahana tamin’ny fitondram-panjakan’i Rwanda sy ny « Institut Pasteur » ao Dakar, ao Sénégal, raha ny fanazavana. »Ny famokarana vaksiny ao amin’ny Union Africaine sy ny fametrahana fahafaha-mamokatra maharitra hanatsarana ny fitsaboana ao Afrique no tanjonay » hoy i Ugur Sahin, mpitantana sy mpiara-namorona ny BioNTech.
