Fitaterana : Hiverina hisokatra mialohan’ny faran’ity taona ity ny lalamby mampitohy an’ny Fianaranatsoa amin’ny ilany Atsinanana iny
Notokanana ny alahady teo ny tetezana ao Manakarabe izay simban’ny rivo-doza nifanesy. Tonga tany an-toerana ny filoham-pirenena hitokana izany. Maro ny foto-drafitr’asa ho aorina sy havaozina ao an-toerana ka anisan’izany ny lalamby FCE izay mampitohy an’i Fianarantsoa amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Efa ela no niandrasan’ny mponina izany foto-drafitr’asa izany hiverina hiasa indray ka izao nampanantenain’ny filoha izao. Vinavinaina hiasa mialoh’ny fiafaran’ity taona 2022 ity izany lalamby izany.
« Efa re matetika taty an-toerana ny tsy fahatomombanan’ny fitantanana ity orinasam-panjakana ity. Ho averina ny asany ary hovaina ireo tompon’andraikitra sy ny fomba fiasa. Olana teto foana ny fikorontanana teo amin’ny fitantanana ka izay no antony nampikatso ny asa fitaterana teto. Milaoh’ny fran’ny taona dia ho fantatra izay olona hitantana ity toerana ity ka olona mahay mandamina sy mahay mitantana araka izany no ho tadaivina. Ho afaka hisitraka ity lalamby mampitophy an’ny Fianarantsoa amin’ny Manakara ity noho izany ireo mponina afaka fotoana fohy », hoy ny lahatenin’ny filoham-pirenena tany Manakara.
« Raha hampiasa fitaovam-pitaterana aloha hatreto mbola tsy misy maharesy ny fiaran-dalamby. Na dia ela ala vao tonga dia mahafinaritra ny mijery ny manodidina sy ny mahita ny hakanton’i Madagasikara, indrindra aty amin’ity faritra ity. Mampandroso ihany koa ity sehatra iray ity satria ahafahana mamorona asa ho an’ireo izay tsy manana asa. Raha tsy hiteny hafa-tsy ny varotra, izay mampiavaka ny tanàna iray eny amin’ny fiantsonana fotsiny », hoy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny fizahantany ao Manakara.
« Fony mbola kely aho dia niasa foana ity fiaran-dalamby FCE ity. Nahafinaritra foana ihany koa ny mandeha taminy indrindra fa ny mankafy ireo zava-maitso manodidina. Fhafainaretana izany ka mba tiana hiverenana sady tiana ihany koa mba hampisehoana ireo taranaka aty aoriana”, hoy i Sylvianne, mponina ao Manakara efa taona maro, mpandeha fiaran-dalamby matetika.
Raha tsiahivina dia efa volana maromaro izay no nijanona tsy niasa ity toerana ity noho ny tsy fandraisan’ireo mpiasa ny karamany nandritra ny enim-bolana. Anjaran’ny Fanjakana anefa ny mijery akaiky izay olana izay ka hamaha izany mba tsy hiverenan’izany intsony raha miverina miasa ity fitaterana an-dalamby FCE ity.
Miora Raharisolo
