Nivoaka indray ny Iphone 13 Pro, finday hiaka farany
Isan’ny karazana finday avo lenta sy ambony vidy ny Iphone. Efa maro ireo karazany nivoaka fa efa nivoaka ihany koa izao ny finday hiaka farany novokarin’ny Apple di any Iphone 13. Mitentina 1 900 Dolara ny vidin’izy ity izay 7 500 000 Ar izay efa niandrasan’ny maro fatratra ny hivoahany.
« Efa hifaninana mihitsy ny fividianana ny finday Iphone ka izay tsy manana indray no manenina amin’izao fotoana izao, toa zary lasa voninahitra mihitsy aza ny fananana iznay na dia Iphone4 fotsiny aza » hoy i Kanto, tanora mianatra eny amin’ny Lisea. « Izahay dia manafatra finday any ivelany mihitsy ary efa miandry fatratra ny hivoahan’ity Iphone 13 ity satria betsaka ny efa mpanontany eto aminay » hoy i Andry, mpivarotra finday.
Etsy an-kilany, lafo ny vidin’ny Iphone ka maro ireo tsy mahatakatra izany arak any fanehoan’kevitr’ity tanora iray ity « tsy iasako loha loatra na nivoaka na tsia satria amiko rehefa finday azo angalana sary sy anaovana facebook dia mety avokoa na inona ny marika ». « Ho an’ny mpanakarena ny Iphone izany satria ny anay izao ny hivoahan’ny vidim-piainana ho mora no tsy andrinay fa tsy Iphone Iphone izany » hoy i Mahery, raim-pianakaviana. Samy manana ny lafim-piainany tokoa ny eto amintsika kanefa tsy izany indrindra ve no tokony hifanohanana. Ny Iphone eo ihany fa ny kapoakam-bary ihany koa mila jerena.
Nicole Rafalimananjara
