ActualitésTsidika

Andekaleka : Efa tonga ireo fitaovana vaovao hanatsarana ny famokarana herinaratra

Nanainga nakany Andekaleka ny ampahany voalohany amin’ireo fitaovana vaovao 17 kaontenera. Ho entina manarina sy manatsara ny famokarana herin’aratra eto Madagasikara ireto fitaovana ireto.

« Hanainga alohan’ny zoma ho avy izao ny ambiny » hoy ny tompon’andraikitra. « Tsapa fa antitra sy tsy maharaka ny filàn’ny mpanjifa ny Jirama ireo fitaovana ao Andekaleka. Misy ny tetik’asa fanatsarana sy fanavaozana izany » hoy ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana. « Efa marefo tokoa ilay transformateur eto Andekaleka. Niharan-doza nipoaka ary nirehitra talohan’ny fahatongavan’ireto fitaovana vaovao ireto anefa izany. Efa nosokafana ny fanadihadihana mikasika ny tena nahatonga izany » hoy ny avy ao amin’ny orinasa Jirama.

Betsaka tokoa ny nitaraina tamin’ireny fahatapahan-jiro tao anatin’ny fety ireny. Inoana sy antenaina fa hihatsara ny famokarana herinaratra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire