DépêchesTsidika

Toamasina: Renim-pianakaviana iray maty voatifitry ny jiolahy

20 oktobra; renim-pianakaviana 49 taona no namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny jiolahy azy omaly tao amin’ny Botanika Toamasina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Mpandraharaha avy any Ambositra ity renim-pianakaviana ity. Maty tsy tra-drano izy; ary nanjavona ny vola manodidina ny 500 tapitrisa ariary miaraka amin’ny finday lafo vidy sy firavaka volamena. Ilay “tuctuc” nandehanany ihany no heverina ho niray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy nahavanon-doza raha ny loharanom-baovao akaiky.

Laisser un commentaire