Chine : Hitatitra ny zava-misy ao Wuhan ny ekipan’ny OMS any an-toerana.
Hanomboka hitatitra ny zavatra hitany ao Wuhan, Chine, ivon-toerana voalaza ho niantombohan’ny fiparitahan’ny valanaretina covid-19 ny taona 2019 ireo ekipan’ny OMS any an-toerana. Efa ho 4 herinandro izao ireto ekipa ireto no miezaka mitady ny marina mahakasika ity raharaha covid-19 ity. Androany, talata 09 febroary amin’ny 07H30 GMT (10H30 eto Madagasikara) no hanantanteraka valandresaka miaraka amin’ny mpanao gazety ireo ekipan’ny OMS ireo, hoy ny vondrony miorina any Suisse. Misy mpiara-miasa sinoa hiaraka hitafatafa amin’ny mpanao gazety ihany koa, saingy tsy nahazoana vaovao fanampiny ny mahakasaka izay. Raha tsiahivina, tao Wuhan no nitanterana ny trangana covid-19 voalohany ny volana desambra 2019. Taorian’izay, maherin’ny 2,3 tapitrisa ireo maty erak’izao tontolo izao. Efa nanambara i Dokotera Hung Nguyen-Viet, ao amin’ny OMS fa mila faharetana goavana raha te ahazo valiny mahafapo mahakasika ny fanadihadiana atao ao Wuhan.
