Sosialy : Mbola mahazo vahana any amin’ny faritra atsimo ny tsy fanjarian-tsakafo
Tokantrano 8 amin’ny 10 any amin’iny faritra Ambovombe iny no mbola miaina ao anaty tsy fahampiana ara-tsakafo mahery vaika amin’izao fotoana izao. Sarotra amin’ireo tokantrano ao Bekily, Ampanihy, Betroka ary Amboasary sasany ireo ny misitraka ny sakafo sahaza azy ireo ka mahatonga izany tsy fahampiana izany.
« Raha tsy ireo voamaina dia ireo hanikotrana isan-karazany sisa no any afaka hoanin’ireo fianakaviana ireo. Vitsy ny fotoana ahafahan’izy ireo mahita zava-maitso toy ny anana na ireo legioma. Manampy trotraka izany ihany koa ny tsy fahampiana rano any an-toerana », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Bulletin Sécurité Alimentaire Nutrition.
Na ireo tahirin-tsakafo eo anivon’ireo mponina ireo aza dia efa mihena ka tsy maintsy miankin-doha amin’ny tsena anatiny izy ireo. « Manodidina ny 1 tapitrisa mahery ny olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimo iny. Tamin’iny volana desambra iny ka hatramin’ny volana martsa 2023 dia mety hahatratra hatramin’ny 2 tapitrisa ireo olona mila handraisana fepetra manokana satria mety ho tonga amin’ny IPC 3 na 4 izy ireo », hoy hatrany ny fanazavana.
« Tsy tokony resahana be fahatany intsony ity sehatra iray ity. Mila asa mitsangana hanavotana ireo mpiray Tanindrazana ireo fa andohalika ny ranom-bary. Vahaolana tsara ny fahatongavan’ny rano any amin’ireo toerana sahirana amin’izany ahafahan’izy ireo mamboly izay hananana toerana mbola malalaka tsara », hoy i Faneva, mpianatra agronomie ao Ankatso.
Manana anjara amin’ny fanampiana ireny olona sahirana rehetra any atsimo ireny avokoa ny olom-pirenena. Samy afaka mandray anjara amin’ny fahefany tsirairay fa tsy andrasana ny fanjakana irery ihany.
Miora Raharisolo
