ActualitésTatitra

France : 31 ny famonoana olona nifandray tamin’ny fanondranana zava-mahadomelina tamin’ny taona 2022

Mahatratra 31 ny trangam-pamonoana olona nifandray tamin’ny fanondranana zava-mahadomelina tamin’ny taona 2022 raha ny tatitry ny lehiben’ny polisy ao Marseille, Frédérique Camilleri. Na izany aza nisy fandresena azon’izy ireo ihany tamin’iny taona iny manoloana ny ady fanondranana zava-mahadomelina, ny fihenan’ny toeram-pamarotana izany (points de deal) sy ny fihenan’ny vola azon’ny mpanondrana hoy io tompon’andraikitra io.

Lamandy 18 000 isa no nomena ireo mpanjifa zava-mahadomelina tamin’ny taona 2022 raha ny fanamafisan’i Frédérique Camilleri. Nilaza ity farany fa polisy 200 isa tarihin’i Gérald Darmanin niady ary mbola hiady amin’ny fanondranana zava-mahadomelina isan’andro.

Laisser un commentaire