Ambohimalaza : Olona dimy voasambotra noho ny fivarotana rongony
Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandarimaria avy ao Ambohimalaza, nandritra ny fetin’ny noely no nahatratrarana ireo olona mpivarotra sy mpamatsy rongony tao amin’ny fokontany Ambatofotsy sy Fiadanana, kaominina Ambohimalaza. Mpamatsy rongony sy mpivarotra enta-madinika efa hikoizana amin’ny fivarotana rongony izy ireto raha ny voalaza.
« Rehefa nahatsikaritra ny fihetsika hafahafa nataon’ny lehilahy iray tao an-toerana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza dia niroso tamin’ny fisavana ary nahitana fonosana rongony iray teny aminy. Nisy moa ny fakana am-bavany natao ka tamin’ity farany no nilazany fa mpivarotra iray teny Antehikiady, fokontany Fiadanana no nahazoany io zava-mahadomelina io » hoy ireo avy amin’ny mpitandro filaminana.
« Taorian’ny fahazoan-dalana hanao ny fitsirihana ifotony avy amin’ny fitsarana, dia nisy ny fisavana avy hatrany ny toerana voatondro, ka tamin’izany tokoa no nahitana fonosana 80 rongony. Nitohy tamin’ny fisamborana ilay mpamatsy ihany koa ny andro taorian’izay » hoy hatrany ireo mpitandro filaminana.
Miisa dimy moa ireo olona voasambotra tamin’ity raharaha fanaparihana zava-mahadomelina tao amin’ny kaominina Ambohimalaza ity. Mitohy kosa ny fikaroham-baovao ataon’ireo mpitandro filaminana sy ny fisafoana ho fampandriana fahalemana ny tanàna.
Manitra Ramanantsoa
