Toetr’andro : Ahiana hisy rotsak’orana betsaka any amin’ny tapany atsimo.
Vanim-potoan’ny fahavaratra izao izay mahatonga ny fahabetsahan’ny rotsak’orana. Maminavina ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro fa mety hisy rotsak’orana betsaka.
« Misy andro ratsy mivoatra antsoina hoe DARIAN vinavinaina hikasika ny fari-dranomasina atsinanana amin’ny Alakamisy izao izay tsy hisy fiatraikany firy amin’ireo faritra ireo. Ahiana ihany kosa ny hisian’ny rotsakorana betsaka amin’ny tapany atsimon’ny nosy amin’ny Talata sy Alarobia. Izany fandalovana rindrin’oram-baratra ao atsimon’ny nosy miaraka amin’ny fitoeran’ny talio no hamaritra ny toetry ny andro mandritra ny herinandro », hoy ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro.
« Izany indrindra no asan’io sampana io hahafahana miomana sahady ny mahakasika ny fiarovan tokony hatao. Hoy koa mantsy ny teny filamatra hoe, izay tsara fiomanana tsy ho tampohin’ny loza ka ilaina hatrany ny manaraka ny vaovao mahakasika ny toetr’andro toy izao », hoy ny avy ao amin’ny BNGRC
« Tamin’ny mbola kely dia efa nampianarina foana fa mialohan’ny loza mety hitranga foana no hahafahana miaro tena amin’ny alalan’ny fametrahana fasika eny ambony tafo-trano ohatra . Mbola ilaina foana izany mba hitandremana », hoy i Marcel, mponina any Toamasina, toerana hianjadian’ny rivo-mahery matetika.
Mila mitandrina ny mponina any atsimon’ny nosy satria mety hanatombo ny rotsakorana. Hisy fidinanana kely ny maripana ambony hoan’ny tapany avaratry Nosy makany amin’ny faran’ny herinandro. Tsy hisy fiovana misongadina any an-kafa. Manodidina ny 12 – 26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 26 – 36°C ny tolakandro.
Miora Raharisolo
