ActualitésTatitra

Etats-Unis : Zaza roa niaharan’ny herisetra nataon’ny reniny sy ny raikeliny

Vehivavy iray no nihazo ny tranon’ny zanany vavy tao Moro, Arkansas haka ny zafikeliny 5 sy 7 taona. Rehefa tonga tao an-toerana io renibe io dia nahatsikaritra fa niharan’ny herisetra ny zafikeliny 7 taona. Notapahana ny volony, nisy may ny vatany ary maromaro ny taolan-tehezany tapaka. Nentin’io renibe io teny amin’ny hopitaly avy hatrany io zazavavy kely 7 taona io ary fantatra fa tsy ampy sakafo ihany koa.

Niantso ny manam-pahefana ny reniben’ny zaza taorian’izany. Nanomboka nanadihady izy ireo ka hita tao ambany rihan’ny trano ny fatin’ny zandrin’io zazavavy kely io izay noheverin’ny renibeny fa tany an-tranon’ny namany. Maty novonoina io zazalahy 5 taona io raha ny valin’ny fizahana natao tamin’ny razana ary efa maty 3 volana lasa izy raha ny toetry ny faty.

Ny renin’izy mianadahy ireo sy ny ray keliny kosa no voarohirohy amin’ny tranga. Nosamborina noho ny famonoana olona sy fanaovana herisetra izy ireo.

Laisser un commentaire