SocialTatitra

France: Mpianatra 18 taona nitifitra ny mpampianatra azy

Mpianatry ny lycée iray 18 taona no nanaovana fanadihadiana noho ny fihetsika nataony tamin’ny mpampianatra azy. araka ny voalaza, Nitifitra ity mpampianatra ity tamin’ny “arme blanche” ity mpianatra ity. Nosamborina avy hatrany ity mpianatra ity taorian’izany fihetsika nataony izany, ary notazomina natao andrimaso teny amin’ny polisy. Ilay mpampianatra kosa naratra mafy tamin’ny tarehiny ary tsy misy ahiana ny ainy. Nosokafana moa ny fanadihadiana momba ity tranga ity, izay sokajiny ho famonoana olona mivantana. Mpampianatra taranja anglisy ity niharan-doza ity, ary marihina fa nitsoaka nandositra ny fianarana ilay mpianatra taorian’ilay tranga ary tavela tao ny basy nampiasainy.

Laisser un commentaire