SportTatitra

Everest: Alpinistes roa no tsy hita popoka tao anatin’ilay figorisina amin’ny tendrombohitra avo indrindra ity

 Filaharam-be, higorisa amin’ny tendrombohitra avo indrindra eto an-tany ao Everest, ireo alpinistes. Nitera-doza anefa izany. Araka ny horonantsary niparitaka ny 21 may, nahitana ireo mpihanika tendrombohitra manao filaharambe mihanika ny Everest, ahatratra ny tendron’izany, dia tra-doza ireo farany. Nisy fihotsahana ny moron’izany tendrombohitra nolalovan’ireo mpihanika tendrombohitra ireo ka latsaka avy eny ambony ny enina tamin’izy ireo. Avotra soa aman-tsara ny efatra tao anatin’izany, izy ireo moa voatazona tamin’ny tady. Ireo roa hafa kosa dia tsy hita popoka. Mihamaro ny manao ity fihanihana tendrombohitra avy indrindra ity, indrindra fa amin’ny fotoanan’ny lohataona any an-toerana. Alpiniste kenianina sy nepalianina moa ireo tsy hita popoka ireo.

Laisser un commentaire