Mananjary : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny zaikabe nasionalin’ireo mpitsabo mpanampy
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny zaikabe nasionalin’ireo mpitsabo mpanampy ao Mananjary ny alatsinainy 22 aogositra 2022 lasa teo. Marihina moa fa efa misy zaikabe toy izao foana isan-taona. Mbola mitohy moa izany zaikabe izany ary hifarana rahampitso.
Manodidina ny 500 ireo mpitsabo mpanampy no tona miatrika izany zaikabe izany hoy ny mpikarakara. Izany dia tanterahina any Mananjary. Mandritra izany zaikabe izany ihany koa no hanatanterahan’izy ireo ny fifidianana ny filoha ho lefitra vaovao. Atao izany mba hampivondronana ireo mpitsabo ikatsahana ny tombotsoa ara-pahasalamana.
Famenontsoa Rajerison
